<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>I.D. Sankey</author>
<title>He! Tsara ny fonenanao FFPM150</title>
<lyrics>[V1]
 He ! tsara ny fonenanao,
 Andriamanitra ô !
 Ziona tendrombohitrao,
 Tanàna masina ;
 Ka iza no hiakatra ao ?
 Izay mahitsy fo,
 Izay madio tànana,
 Izay manao ny to,
 Ka mino ny Mpanavotra,
 Ireo hiakatra ao !

[V2]
 Mba misandrata faingana,
 Ry varavarana !
 Hidiran'ny Mpanjakanay
 Be voninahitra.
 Moa iza izao Mpanjaka izao ?
 Andriamanitra
 Mahery sy mandresy koa,
 Mpanjaka masina ;
 He, Izy 'Lay Mpanjakanay
 Be voninahitra.

[V3]
 Miantranoa, Tompo ô !
 Mba hifalianay ;
 Voavoatra ny tranonao,
 Midira aminay !
 Jehovah no Mpanjakanay,
 Mpanjaka tianay :
 Ny hery, voninahitra,
 Sy ny fisaorana,
 Anao tokoa, ry Tomponay,
 Mandrakizay doria !</lyrics>
<hymn_number>150</hymn_number>
</song>